Inay aho mpiasan'ny voirie (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Etsy kely ange ô ramatoa Rangory ô…
Fa dia nahoana iky no ety…
Ambavam-paompy no manasa lamba
Nefa anie akaiky ny bassin
Raha tany ity ka hampihinana maloto
Dia mitenena marina lahy…
Raha misy tahak’izany

Aoka etsy f’aza sendoatra ambony ihany ô…
Fa mba meteza kely aloha hijery ireto daba zavotany
Manoatra no ireo mpilahatra
Manenika ny tobim-pamatsiana
Koa azafady, mbesora hoy aho
Fa maika ny havanao

Inay aho ry lahy mpiasan’ny voirie
Hitana ny kile
Hanapaka ny paompy
Fa ho entiko amin’ilay fanaovana azy
Dia vita samy rava
Koa na hiverina eny an-doharano aza
Tsy ahoako


Mbay làlana aho ramose lehilahy ô…
Rehefa te hisaika ianao
Dia mikidaobaka eny an-drenirano
F’efa norohasinay nankeny
Ireo gisa sy ny gana mpandro teto
Koa mandehana
Paompy ity rahalahy fa tsy dobo fandroana

Avy etsy mikisà rankizy be lalao ô…
Fa angaha io biberao
No ataon’ialahy isany ohatran’io
Koa dien’izao mandeha miparitàha
Izay azoko minono farany eo
Dia ho ampandroiko marina tsy…
Laingako hany izany…


Inay aho ry lahy mpiasan’ny voirie
Hitana ny kile
Hanapaka ny paompy
Fa ho entiko amin’ilay fanaovana azy
Dia vita samy rava
Koa na hiverina eny an-doharano aza
Tsy ahoako
--------
Rohy:
Hevitra
mpisotrtoaka ( 05/02/2019 10:18)
Iza mba manana original amty hira ity
hery ( 05/02/2019 19:53)
Henoy ato http://radiovazogasy.com/radio/hira/asehoy/4959
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 6588
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 30/04/2007 13:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4273