Davikely sy Gôlibe (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mh!mh!mh!
Tenieràna fa raikitra amin'izay ô,ka hiroso amin'ny gidragidra
Izy roalahy, hanao iray sy iray,dia i Gôliata sy Davida
I Davida moa ilay mpiandry ondry, izay tsara fanahy sy bôgôsy be
Tsy nivaky loha hianatra komondry,na mba hoe hanao karaté, na mba hoe hanao karaté !

Valiha marovàna no mba filalaony, teny an-tsaha rehetra teny
Vazo fideràna,io no mba fanaony, mba filinina reveny
Hoentina miady, satria ilay Ray Mpamonjy no efa nitokiany isan'andro vaky
Ka antsamotady sy vato kilonjy, no fiadiany ho solona kalaky,no fiadiany ho solona kalaky !

Mh!mh!mh!
F'ilay adivà dia marasily, bokon'hozatra aok'izany
Ka na foloalindahy na ireo sivily dia raikitahotra avy hatrany
I Davikely anefa, ilay gaban'artista mody kelikely nefa tsaratsara
Tsy nandeha nilefa fa nahasahy nirisika ka namely tsy an-kisalasala, ka namely tsy an-kisalasala
I Gôliata moa raha vao niala avy any dia voatsenan'ny kilonjy
Vaky be ny loha ary nitomany nefa indrisy tsy voavonjy
Maty i Gôlibe ka lasa nodimandry , bokon'hozatra izy nefa dia K.O
Ka tandremo anie ilay manao be sandry ,ô rankizy tia an'i Jesoa,ô rankizy tia an'i Jesoa !
Mh!mh!mh!
--------
Rohy:
Hevitra
Dahfara ( 14/06/2017 20:26)
Tsara rafitra ity vazo miteny fideràna ity... Isaorana Ifanihy ????????????
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 1818
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dahfara
Daty : 14/06/2017 21:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726