Lahatra (Ideal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangina zokiko ô mangingina zandriko ô
Fa mafy hiany anie ny kamboty ray sy reny e

Ireo ray aman-dreny nay dia nifankatia taminay
Sendra ny lahatra izy ireo dia tafasaraka taminay

Mangina zokiko ô mangingina zandriko ô
Fa mafy hiany anie ny kamboty ray sy reny e

Ilay mahantra saika mba nisondrotra
Niangaran'ny vintana ka lasa niforotra.

Mangina zokiko ô mangingina zandriko ô
Fa mafy hiany anie ny kamboty ray sy reny e

Ireo havanay toa manilikilika
Tsy misy mety mandray izy ireo, tsy azo hifikirana.
Ireo namanay toa manilikilika
Tsy misy mety manampy izy ireo, tsy azo hifikirana.

Mangina zokiko ô mangingina zandriko ô
Fa mafy hiany anie ny kamboty ray sy reny e

Mangina zokiko ô mangina zandriko ô
Fa tsy azo sakanana ny lahatra eto an-tany.
--------
Rohy:
Hevitra
Narisia ( 15/02/2019 01:12)
Miangavy re tompoko mba hampiditra io hira io mba anisany ireo hira ao anaty lisitra satria maro ireo artista taty aoriana ef ato avokoa ne io tarika ideal io dia ef ho 20 taona mahery no nisy atram zao mbola tsy tafiditra ato hiany ef indroa amin'izao izahay mba nandefa io hira io tato fa tsy mbola voaray koa miangavy re ra misy antony manokana tsy ekenareo mikasika ny hira na mpihira dia miangavy re mba ilazao izahay ee izy ity manko dia ny ho fiaraha-monina malagasy no mananjina ary fifampitezaina no atao koa lelafina ny faladinao tompon'andraikitra ato mba andray anay atanandroa .marihiko fa izao nampiditra dia tsy mpihira tsy tarika fa mpakfia io tarika io dia misaotra mialoha tompoko.
Pauld ( 17/02/2019 01:00)
Miarahaba tompoko manamafy io voalaza io ny tenako tompoko ilay ariste ideal io tompoko dia ef ho 20 taona tokoa nefa mbola tsy voaray ato ny hirany nefa ato misy artista vao herintaona monja defa tafiditra ato momba ilay north and center ndray tompoko dia anisan'ireo artista mba tena nalaza teto am tanàna ef ho 23 koa io tarika io zao no nisy nefa atramin izao dia hira telo fotsiny mba ato le tsidiniko mba ef nampidirina tato fa to mbola tsy hita anaty liste koa mba miangavy re tompoko ooo mba raiso ireo hevitra maro isakarazany reo fa mety ahatsara zavatra eee
ikalamako ( 18/02/2019 11:07)
@Pauld sy @Narisia : izay manana tononkira dia afaka mampiditra satria tsy hainay daholo ny hira rehetra eto ambony tany ;)
Raha tamin'ity herinandro ity dia sahirana tsy teto amin'ny solosaina ny tenako ka izay vao tafiditra ny tononkira "lahatra".
Ny fiangaviana fotsiny dia mba ataovy tsara rafitra sy teny malagasy madio ny tononkirantsika fa ny hira dia zavakanto ka tokony ho kanto manaraka izany. Raha tsy diso aho somary nahitsiko kely izy ity vao nekeko hiseho.

Momba ny hira indray dia azonareo alefa mivantana ao amin'ny site radiovazogasy.com ny hira dia rehefa voarainay dia ekena hiseho ihany koa. Jereo fa ery amin'ny "menu" amin'ilay tsipika manga ery ambony misy hoe "envoyez vos mp3"
Raharaha iombonana izy ity e.. mirary soa jiaby.
Pauld ( 02/03/2019 00:29)
Miarahaba tompoko Misaotra tompoko tamin'ny fanitsiana ary misaotra betsaka tamin'ny fandraisana hiezaka haka ilay mp3 ilay hira any am tompon'kira ny tenako dia alefako eto na alaiko any am ireo radiô izay mbola manana ny tahiry fa ny tao am radiô Madagasikara mino za fa ef tsy manana tsony reo satria le may iny ny tao am mbs koa mety otran' izay sy ny radio mada fa inoako mbola manana io hira io zao dia ny accem radio sy ny rdb na ny radio farimbona .fa mankasitraka tompoko tamin'ny fanitsiana fa raharaha iarahana manana tokoa izy ity ary hiezaka ny hanao teny gasy madio amin'ny fanoratana sy ny firafitry ny teny Tompoko ra misy diso fanoratra moa tompoko dia hialana tsiny indrindra
Nic_ollah ( 07/03/2019 15:40)
Miarahaba tompoko.
Efa ela no naniriana hoe hisy amin'ny version iOS ny application Tononkira malagasy.
Koa mba mangataka raha azo hatao no miketrika izay azafady indrindra.
Misaotra mialoha @ tompon' andraikitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ideal
Vangy : 1289
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Narisia
Daty : 17/02/2019 10:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747