Misaotra Anao (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao aho Raiko
f'izay rehetra voaraiko
talenta, saina, andro avy Aminao
Naniry izay hiraiko
Anao ireo ka ampiasaiko
ho voninahitry ny Anaranao

Fiverenana: (tsy ho lo) Tsy ho lo ny fiainam-piderana Anao
Na ho levona aza izao tontolo izao
Ireo harena miafinao mba hahasoa izay tianao
tsy hahafoizako ny miaraka Aminao

Asandratro ny feoko
Haneho ny fanekeko
hanoa sy ho tia Anao Mpamonjiko
Ka hampiasa aho n'aiza n'aiza
Ilay solika fitaiza
sy ho fahazavan'izao tontolo izao

Ireo harena miafina ao mba hahasoa izay tia anao
tsy hahafoizako ny miaraka Aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 515
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Niaritsoa
Daty : 22/04/2016 10:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925