Ekeko (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Indro eto anoloanao no anekeko
Andriamanitra ô
Fa izay sitraponao Tompo ô no aoka
hatao
Hanaja ireo fefy izay nataonao
hotandremako
Te ho tsara tefy, mba ho mahitsy fo…
Tefeo hahatana, finoana sy
fanantenana
Amboary ho fiasana, hampandeha ny
asanao
Tsy zavatra mora no hiseho ka mba
hiomananay
Tsy fantatra ny ora sy ny andro
hiverenanao.

Ref : Jesôsy ô, nanandrana aho ka
nahita
ny hery sy ny hatsaranao
Tsy kivy intsony aho miampita
Izao tafiotra sy onja izao
Manaiky anao, ety ka hatrany an-
danitra
Nasehonao, ny ety dia tsy mba
maharitra
Fa ao aminao, ao no hahitanay
Ilay fiadanana, fahasambarana
mandrakizay
Izay rehetra maniry izany
tsy maintsy manaiky hotefenao,
Izay Tompo ô no iankohofako
aminao.

2. Hijery anao foana, ka ny làlanao
no làlako
Na manao ahoana, mino anao aho
Jesoa ô
Hiezaka hanatratra ilay amboara izay
napetrakao
Ho fiarovan-tratra, hilona am-bavaka
aho
Ekeko fa mafy ny làlan’ireo irakao
Matoky aho mitafy ireo fiadiana
omenao
Lovako ny mihafy, ary efa niomanako
izany
Ny herin’ny mpandrafy, efa resinao
izany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 9489
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Toocky
Daty : 26/08/2015 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072