Ho anao (HIRAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tafasaraka
Ka tsy mihaona isika
Ka malahelo ahy ianao.

Atolotro anao
Ny vetsoko mangina
Izay voatahiry anatiko ao.

Ref:
Ho anao izao hirahirako izao
Fa ianao, no hany tokako hatrizay.
Ho anao izao hirahirako izao
Fa ianao, no mambabo fo fanahy.

Tsarovy ihany koa
Ireo dinan-tsika roa
Lalim-paka ao am-po.

Mmh! hmm!
Tsy sangisangy aky
No nanolorako an-dry
Ireo dinan'ny fitia

*Ieeh!×5...

Ref:
Ho anao izao hirahirako izao
Fa ianao, no hany tokako hatrizay.
Ho anao izao hirahirako izao
Fa ianao, no mambabo fo fanahy.

Pont:
Fa fitiavana, matotra
Ho anao mandrakizay.
Fa raha sendra ireny, sarotra
Ny fo tsika hitempo iray.

Solo: ...

Ref: ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HIRAH
Vangy : 16537
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fyhermia
Daty : 21/09/2013 12:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742