You are here: home > Tononkira > Hery-Tiana

Mifankatia tokoa (Hery-Tiana)


Efa ela ihany
Raha ny fitiavanay roa
Ny bala ambadika any,henoinay fotsiny

Niforona ny atsanga
Nitetika ny hamono
Toa zeziky ny fitiavanay indray

Mifankatia, mifankatia foana izahay roa
Mifankatia , milamina tsara tokoa
Hiara-dia , hiaraka tsisy haharava
Marina eee !
Izaho efa maty amin'azy
Izy koa moa tia ahy !... Dia izay

Ny fiarahanay, tsy mety simbaina
Ny fiarahanay, tsy haratra kapaina
Ny fiarahanay. Maozatra anaty
Ny fiarahanay, azera tsy vaky
FitiavTsiky dia ampyana efa lalim-paka
Fitiavana efa anaty laka
Sarotra be!... Sarotra be...

Ny fingana anoloana,
Ny enjika ao afara
Ho reraka eny foana fa mba aok'izay

Amboary re ity saina
Fa ndrao dia lany rora
Ny anay efa aman'aina, tsy hivaky intsony

(Ho reraka eo foana ianao)

Mifankatia, mifankatia foana izahay roa
Mifankatia , milamina tsara tokoa
Hiara-dia , hiaraka tsisy haharava
Marina eee !
Izaho efa maty amin'azy
Izy koa moa tia ahy !... Dia izay



Tonony, feony, fandrindrana : Hery-Tiana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hery-Tiana
Mpamaky : 117
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 11/06/2018 19:17:48
ID : 10664

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo