You are here: home > Tononkira > Hery-Tiana

Dokoteram-pitia (Hery-Tiana)

Raha ny hetahetam-pitia ato anaty
dia mila tsy haharitra
Miandry izay toky omeny foana ka tsy mahita tory
Efa ho iray volana sy herinandro tsy misy vaovao
Angamba tsy malahelo ntsony izy matoa tsy mahatsiaro.

Ref:
Alefaso amin'ny mailaka hono ny valiny fa tsy manahy
Zaho tsy manadino sady tsy mahafoy fa mbola tia
Izy moa any lavitra tsy mahalala izay mahazo ahy
Lazao azy tsara fa izy ihany no dokoteram-pitia.

Raha ny fitiavana no anontaniana ny aty efa matotra
Tsy hoe goragora na hoe mpamitaka fa efa tsara fatotrTsiky dia ampya
Tsy mba manahy ary tsy mba matahotra ny akodimirana
Miandry ny hoavy amintsika hatrany ary koa miramirana.

Ref: ............

Ny foto-pinoana sy ny fihaviana tsy mba mahasakana ahy
Ny vavam-bahoaka tsy  ahoako mihintsy fa tonga dia lasa izao
Ny ankoatr'izay raha manitikitika vonona handefitra  aho
Lazao azy fa resim-pitia ka manao ny tsy fanao.

Ref:............. (x2)
..........................
Tsy milamina izao ny tany tsy fantatro ny any ho any
Fa ny fantatro dia ny izao, modia re. (x2)
..........................
Ref:............. (x2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hery-Tiana
Mpamaky : 174
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 26/05/2018 08:48:01
ID : 10631

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo