Antsoy (Hery-Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba fantatrao moa
Mahasaro-piaro ahy ianao !
Tsy hita fa babo fo
Potika mafy ka dia izao :

Zarako aza isika isan'ora mihaona
Na maty, na velona, indreny eny foana

Be fandrika anie iny làlanao iny
Raha lavo any ianao, maty aho hoe Niny
Tsy tantin'ny aiko ny tsy anilanao
Antsoy aho ! Antsoy hiaro anao

Gadraiko ato an-trano
Dia tsisy mahita fa ahy irery
Sao hidiran'angano
Tsara ny mailo dia tsy ho very

Fa na moka iray aza mikasika eo
D'efa rafilahy, hiakarako feo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hery-Tiana
Vangy : 2058
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/10/2017 17:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1647