Niova (HeroZ Rock Band)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fiafaràny daholo ny tantara
Tsy nampoiziko isika no ho tonga amin’izany sahady
Rava ilay neritreretina ho anjara
Ilay nandrian'ny fo indray no toa namarina an-kady
Ianao niova tsy toy ny taloha
Lasa mandaingalainga miseho be loha
Manao teny marary feno fahatezerana
Vavanao tsy misy intsony izay ferana
Aiza ho aiza amin’izao ilay tokinao fahizay
Hoe ny antsika roa ho mandrakizay
Izany rehetra izany toa teny ihany
Nampivadika ny fiainako ambony ambany

Bridge: Rava ve ny antsika roa?
Rava ve ny antsika roa?
Rava ve ny antsika roa?

Ref: Hihazona ahy ve ianao raha hitanao izaho fa handeha?
Hamarana fitiavana vé?
Sa hanohy ny lalantsika hanao ainga vao?
Ary hiady ho antsika ve ianao raha toa ka omena safidy?
Sa avelanao ho faty izany?
Sa any an-kafa indray no hampandrianao ny fonao ?
Izao tsy hitana raha toa tsy tamana
Isika niaraka toy ny vao omaly
Toa tantara sisa no ahatsiarovana izany
Fitia niredareda tsy nisy tomika
Toa lasa mitsilopy zary mangatsiaka
Ianao namitaka ahy sy namotika ny foko
Dia ilay fitsikiana toa nanjary toloko
Namela takaitra sy fitomaniana
Tanteraka tokoa izao ilay efa nahiana
Bridge:
Réf:
#Niova
#HeroZ
#THE_GIANT_ROCK_PROJECTS
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HeroZ Rock Band
Vangy : 951
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 18/06/2019 19:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729