VELOMA, MAHITĂ€ FAHASAMBARANA (Henri Ratsimbazafy)
Veloma, mahitĂ fahasambarana
Veloma, hitanao ny varavarana,
aza mierika akory
fa ny lalanao no zory !
Raha misaraka hono mantsy anie mazĂ na
misy ranomaso kely izay tsy tana,
koa azafady raha handeha ianao faingĂ na
mba tsy ho fendrofendro no ialĂ na.
Veloma, aza lany andro mialatsiny,
Veloma, aza tanisaina ny fahiny,
aoka tsy ny amiko no ahiana
f’izay mahasoa anao kajiana !
Eo ianao no miankanakana
toa matahotra
izaho anie ka tsy misakana
aza miahotra,
Aza asiana teny lava,
aza amboarina
f’efa fantatrao mazava
anie ny marina :
samy tia
efa vonona
ianareo
’zaho aty
efa mionona
tsy toreo.
Henri RATSIMBAZAFY
1976



