VAO TENY ANTSASA-DALANY (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 2012
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 06/11/2003 17:08:44
ID : 2086

Imprimer Facebook Facebook

            I
  Manomboka ny tolony,
  maina ery ny molony,
  valaka sy lanaka
  fa hita ho manan’anaka.

  kakerin’ito neniny,
  ny kibony afeniny,
  sadikatra ery
  no kivy koa satria...
  

                                II
                          Masiaka koa ny velona
                          k’indreo manelontselona,
                          mifosa ankatakonana
                          ireo mpiray fiangonana,

                          koa na dia heloka aza
                          ny hoe manala zaza
                          dia vitany tokoa
                          satria nahoana moa ?

       III
Nony lasa nody
nisotro fanafody
fanalana zaza
ka indro fa voalaza

fa hoe manavinavy
dia maty ’lay zazavavy,
fa tao dia tsy tafarina
kanefa izao no marina:


Ref.: Vao teny antsasadalany
         ’lay tiany sy malalany
         nataony ho reharehany
         dia tsy hita...’zay nalehany

            RADO
            1970

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo