TSIA, TSY MISY ANENENAKO (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 1782
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 06/11/2003 07:45:37
ID : 2074

Imprimer Facebook Facebook
Raha lasa ny fisainako,
dia injao fa mitamberimberina ao
ny tantarantsika niainako
ka manjary alahelovako anao
Nefa moa sarobidy ny hatanorana,
tsy tokony ho simbasimbana
laniana amin’izay hadalana
     koa nahoana moa
     no hamoy fo ?

Tsy mbola izaho irery akory
no miaritra ny mafy eto an-tany,
mbola betsaka ny ory
sy mitolona ao anatin’ny tomany,
Nefa samy milanja ny hazo fijaliana,
milanja mora ny azy mangina,
miandrandra ny lanitra hifaliana
   koa nahoana moa
       no hamoy fo ?

Ref. :
      Tsia, tsy misy anenenako !
      tsia, tsy tokony hiverenako
      ny lalana nodiaviko
            tanilanao,
      ianao izay notiaviko
            hatramin’izao
       tsy misy anenenako,
       ny ho avy no tandremako.

        Henri RATSIMBAZAFY
                      1967

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo