Satria tia ahy ianao (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 2324
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 30/10/2002 21:46:05
ID : 1212

Imprimer Facebook Facebook
Izany atao hoe sambatra
dia efa fantatro izao
satria anio dia mitambatra
ny foko sy ny fonao.
Ka n’inona n’inona izany,
raha mbola azoko hatao,
ekeko hatao avy hatrany
SATRIA TIA AHY IANAO.

Ny tongotro roa dia manaiky
hitety izao rehetra izao,
na lavitra izany na akaiky
SATRIA TIA AHY IANAO.

Na sambatra isika na ory,
na mety na tsia ny atao,
tsy misy ahiako akory
SATRIA TIA AHY IANAO.

Ialako ny fianakaviana,
ny ankizy niaraha-nilalao,
afoiko ny tany niaviana
SATRIA TIA AHY IANAO.


Henri RATSIMBAZAFY  1963

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo