Ny lehilahy (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matanjaka, mahery,
mafy, mahari-pery,
miharitra ny mafy
fa zatra ny miafy
ny lehilahy

Raha sendra ka mba voadona any ho any
dia sanatria anay izay hitomanimany
na hikolay ka hiolomay.

Raha misy manahirana
tsy maintsy miramirana,
tsy mba malemy saina
ary tsy mitaraina
ny lehilahy.

Mba nana’hoana loatra re itony tany itony
raha tsy teo ny lehitahy ?
angamba nikorontana nanao ambany ambony
raha tsy teo ny lehilahy !!

Ny lahy sy ny vavy
dia samy manana avy
izay fahatsaràny
kanefa hafa ihany
izany atao hoe lehilahy

Tsy mila fangorahana,
tsy laitran’arerahana,
tsy, mba mandositr’ady,
ny lohan’ny mpivady
ny lehilahy

Isaoranay anefa Andriamanitra
nanome anay andriambavilanitra
ho namanay
sy tapakay

Fa raha toa ka irery
angamba dia ho very
ny lehilahy
Iza no hikarakara
hikojakoja tsara
ny lehilahy

Fa na mahery aza,
malemy toy ny zaza
ny lehilahy
Raha vao jerenareo
mila tsy ahaloa-peo
ny lehilahy

Bessa sy Henri Ratsimbazafy
1970
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 5144
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/02/2002 20:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0292