Ny lambanao mikopakopaka (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tsara sy mahate-ho tia
Ny lambanao mikopakopaka
Toa miantso manao hoe avia
Ny lambanao mikopakopaka
Ny fihetsika malemy paika,
Tsy miraika toa tsy maika,
Ny fitafy tsy misy haitraitra,
Tena raitra ka manaitra.

Tena kanto eny kanto aoka izany
Ny lambanao mikopakopaka
ka nambabo ny foko avy hatrany
Ny lambanao mikopakopaka

Ny akanjonao tsara didy,
Tarafin’ny elonao mena,
Mihatsara sy mitombo vidy
Ravahan’ireo volamena
Manendrika anao avokoa,
Nefa asa ho’aho Ramatoa

Dia tonga ny lamaody vao
Nanampy ny nentim-bahiny
Nanaraka izany ianao
Ka hita fa tsy nisy tsiny,
Kanefa ho famenon’izany,
Ny lambanao teo ihany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 6365
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/02/2002 20:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2894