NY ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 1341
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 05/11/2003 21:14:58
ID : 2073

Imprimer Facebook Facebook
Ny volonao fotsy mangatsohatso
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny feonao malefaka raha miantso,
NO  ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny bikanao folaky ny andro lasa
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA,
Ny tanana mafy noho ny asa
NO ITIAVAKO ANAO RE RY MAMA.

   Toa hitako ianao fony tanora
      tamin’izao taonako izao,
   namindra milako tsimoramora
      nanaitra an’i Papa ianao;
   nilefa nandao tsy nety tana,
      tsy hita intsony izao
   ny taratra’irony hatanorana.
      teny amin’ny endrikao.
   Kanefa amin’izao toetranao izao
   no vao mainka tiako dia tiako ianao

Isaorako indrindra Andriamanitra
Nanome ahy anao
Ary hivavahako mba haharitra
Hiaina eto an-tany ianao.
Na tsara na ratsy izahay zanaka
dia samy tianao avokoa
ka dia tsy navelanao mba hihahaka
raha tsy nahazo ny soa.
Iriko indray re ny hanavao,
hilaza fa tiako dia tiako ianao.

              Henri RATSIMBAZAFY
                          1969

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo