Ilay sarinao (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 1659
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/02/2002 00:27:47
ID : 602

Imprimer Facebook Facebook

Ilay saRinao
maneho ’lay endrika mamiko,
ilay sarinao no tsy mba miala eny amiko,
rehefa tsy eo ianao
ka izaho ’lahy mitoetra irery
dia ny sarinao
no tiako hatao tsara jery.

Hifandao
isika fotoana maharitra,
’izaho sy ianao
hisaraka, hifanalavitra.
ka na ho ela na ho haingana
no tsy mba hifankahitana,
ho porofo mivaingana
ho jerijereko mazana...’


Ary dia
ho hitako mazava tsara
fa satria
hataoko eo an-doham-parafara
raha sendra aho ka manina,
na ory na tojo hafaliana,
dia tiako ho tazanina,
fa taratr’ilay olon-tiana..


Henri RATSIMBAZAFY  1965