IANAO (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 2132
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/02/2002 00:27:03
ID : 601

Imprimer Facebook Facebook


Raha lasa ny fisainako
ka manjohy ny andro niainako,
IANAO, IANAO
no mameno toerana ao.

Fony sarotra ny fiainako
iza moa no nitarainako ?
IANAO, IANAO
ianao lava izao.

Izarako ny hasambarako
ka nomeko ny anarako
IANAO

Loharanon’ny taranako
ihariako ny fananako
ary haingon’ny tananako
IANAO

Hany andry hianteherako
amin’ny androm-pahanterako
IANAO.


Henri RATSIMBAZAFY  1969