Bobongolo ilay fitia (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref.: Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorina satria
tsisy rivotra tavela
BOBONGOLO ILAY FITIA.


Fony aho mbola tia
dia niangavy anao hatrany,
nefa ianao dia ninia
tsy ahafantatra izany.

Gaga aho ankehitiny
raha nanjary hoe tianao,
aoka anefa ialako tsiny
diso aoriana loatra ianao!

Ref...

Toy ny afo ny fitia
ka mirehitra ao anaty,
raha voasorona izy dia
velona tsy mety maty.

Ny ahy kosa ho’aho re roy
tsy mba nikarakara,
hany izy ka nafoy,
nangatsiaka toa antara.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 5664
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 23/11/2001 22:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766