Ankoso bolamena (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 1636
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 22/02/2002 00:02:52
ID : 578




’Zany ianao raha miteny,
toa ireny anjely ireny,
’zay rehetra zavatra irina
tanterahinao am-pifaliana.
Kanjo nony babonao ny foko,
mora taminao ny niova loko.

        Ianareo tovolahy
        tsy mitandro ny fanahy,
        hainareo ny mihambohambo,
        hainareo ny mandambolambo,
        nony azo anefa izay nirina
        tsy andrinareo ny ora idifina.

Ref.
Ianareo mampanantena,
kanjo hay va re ka tena
tsy mahatana izay nekena
fa mamiratra jerena.
Hay !!! Ankoso-bolamena

Henri RATSIMBAZAFY  1968

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo