ANDRIAMANITRA FITIAVANA (Henri Ratsimbazafy)

Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Mpamaky : 4299
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 05/11/2003 21:54:52
ID : 2076

Andriamanitra fitiavana
Ianao no he nampiray
ary koa nampihavana
ireto havan-tianay.

Nefa ny fiainana tsy mora
Sarotra koa ’zany dia
koa ampio ireo tanora
mba haharitra ho doria.

Raha sendra fifaliana
aza avela ho variana
raha tojo fahoriana
tsy ho diso fanampiana.

Raha sendra ka mivena
fa hoe resim-pahalemena,
dia omeo fahendrena
mba hahay manarin-tena.

Tahio e ! Tahio Zanahary !
na finaritra ireo na marary,
arovy ireo hatrany hatrany
fa malama anie ny tany !!!

   Henri RATSIMBAZAFY
                 1970

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo