Ampianaro aho Tompo (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampianaro aho Tompo
hahay mietry toa Anao,
Z’inona moa izay mpanompo
no hiray latabatra aminao.

1 - Fony aho very
notadiavinao,
’Zaho nitoetra irery
Tsy nilaozanao
Raha naloto aho
nodiovinao,
He mpanota aho
namasininao

2 - ’Rony hadisoako
voavelanao
ary ny ati-foko
no onenanao.
’Zaho tsy mba marina
namarininao,
lavo aho tafarina
Tompo, noho Ianao.

3 - Tokiko hatrany
Ny fitiavanao
faniriako izany
ka mba tanteraho
Nefa izaho irery
osa lava izao,
tsy mba ampy hery
ka aza ilaozanao.

Henri RATSIMBAZAFY
1989
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 8175
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 21/02/2002 23:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072