You are here: home > Tononkira > Henintsoamalala

Zanaka adala (Henintsoamalala)

Ny rendarendra sy ny ditra rehetra rehetra
No namenoako ny fiainako
Eso sy latsa ary teny ratsy hafa
No nataoko ny namako

Fahoriana e, fijaliana no niainako hatrizay
Fony tsy nahalalako Anao re ry Ray
Nandeha nyrenireny toy ny tsy nisy piteny
Nandany nyTsiky dia ampy fananandray sy reny

Soa fa niandry ahy tamin'ny tambitamby
Ilay Jesosy Fitiavana
Koa ankehitrint, raisiny toa tsisy tsiny
Izaho ilay ondry very

Fifaliana e, fitahiana no iainako indray
Efa eo ankaikinao re ry Ray
Fisaorana erampo ary eratsaina koa
No indro milaotra avy ato ampo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Henintsoamalala
Mpamaky : 120
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : herimalaladina
Tamin'ny : 24/09/2018 07:46:43
ID : 10999

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo