Mpinamana (Henintsoamalala)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tojo ny manjo, ka mila hamoy fo
Aza tomany ianao
Raha sendra ravoravo moa maovamaivana ny loha
Zaraina ny hafaliana ho korana be tokoa

Fa namako ianao (x2)

Sambatra izao isika izao
Raha toa tsy mifandao
Fa hiara-dalana ho doria
Hahay hifankatia sy hifampitantana
Hifanampy eny foana fa izay no mpinamana

Azoko ambara, fa raha lavitra ahy ianao
Dia maloka ny androko
Satria ianao irery moa no mba fitarainako
Filazako izay mianjady sy mba fitokisako

Fa namako ianao (x2)

Sambatra izao isika izao
Raha toa tsy mifandao
Fa hiara-dalana ho doria
Hahay hifankatia sy hifampitantana
Hifanampy eny foana fa izay no mpinamana

Sambatra izao isika izao
Raha toa tsy mifandao
Fa hiara-dalana ho doria
Hahay hifankatia sy hifampitantana
Hifanampy eny foana fa izay no mpinamana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henintsoamalala
Vangy : 771
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herimalaladina
Daty : 24/09/2018 07:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717