MIANTSO ANAO (Henika Andriamiarimanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa renao ve izy miantso Anao
Tsy fotoana mety handrosoanao ve izao
Andraso andraso ihany no avalinao
Nefa efa fahoriana, ka mandrapahoviana ?
Efa fantatrao fa Jesosy ihany
No vahaolana misy eto an-tany
Fa hodianao fanina tsotra izao
Sarotra ve ny mandray azy re ?

F’Izy tia hamonjy anao, manaiky hitondra ireo vesatra mangeja anao
Jesosy tsy hanameloka anao, omeo hanjakany ny fiainanao

Io fiadanana katsahinao io
Tsy aiza fa ao @ Jesosy ihany
Mitodia re any aminy ianao, fa efa ela loatra ianao nitomany
Hiazakazaka hatraiza re moa
Tsy efa vizana sy vaky ny loha
Tsy ale ove avotitra any avokoa
Jesosy hanao iza azony atao

F’Izy tia hamonjy anao, manaiky hitondra ireo vesatra mangeja anao
Jesosy tsy hanameloka anao, omeo hanjakany ny fiainanao

Ny adin-tsaina, ireo sento tomany, tsy ianao intsony no mizaka izany
Jesosy handray an-tanana ny hoavinao
Fiainana be dia be no miandry ana ore

Efa eo izy hikarakara, nahoana ianao no misalasala
Ireo ditra sy ireo adalana, tsy ampy ve zay ?

F’Izy tia hamonjy anao, manaiky hitondra ireo vesatra mangeja anao
Jesosy tsy hanameloka anao, omeo hanjakany ny fiainanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henika Andriamiarimanana
Vangy : 2469
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Coraline25
Daty : 19/02/2019 06:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1111