HIJANONA ETO AHO (Henika Andriamiarimanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiditra aho, hanatona, ho eo anatrehan’Ilay Mpanjaka
Nanomana hira iray, natokana ho fanatitra
Ny tsara indrindra Tompo o, no atolotro ho Anao
Hitanao ny foko tia Anao

Dia indro fa tazako ny tananao hikasika ahy
Tsapan’ny Fanahiko izany fanatrehanao
Mamy anie ilay hafanana eo an-tratranao
Fitiavana lehibe tokoa ny Anao

Ref : Avelao aho hilona eto Aminao
Fa izao no fotoana hitiavako Anao
Ho matroka izao tontolo izao
Raha hijery Anao, hijery Anao aho

Jesosy o, Ianao no tsara indrindra t@ fiainako
Ilay tokana nahakasika ahy, sy nambambo ny foko
Raha vao mifoha maraina aho dia hidera ny hatsaranao
Ilay Mpanjaka be fitiavana

Ref : Avelao aho hilona eto Aminao
Fa izao no fotoana hitiavako Anao
Ho matroka izao tontolo izao
Raha hijery Anao, hijery Anao aho, hijery Anao aho

Oooo, Avelao aho hilona eto Aminao
Fa izao no fotoana hitiavako Anao
Ho matroka izaooooo tontolo izao
Raha hijery Anao, hijery Anao aho ooooo

Hijanona eto aho, hankafy izao mba sombin-danitra ho ahy
Manaiky aho izao, ka Jesosy o ! anjakao, ataovy izay tianao atao !!!

Ref : Avelao aho hilona eto Aminao
Fa izao no fotoana hitiavako Anao
Ho matroka izao tontolo izao
Raha hijery Anao, hijery Anao aho, hanopy ny masoko aminao
Hijery Anao, hijery Anao ahooooo

Avelao aho hilona eto Aminao
Fa izao no fotoana hitiavako Anao
Ho matroka izao tontolo izao, DIA HANOPY NY MASOKO AHO HO ANY AMINAO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henika Andriamiarimanana
Vangy : 979
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Coraline25
Daty : 19/02/2019 06:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712