Tany am-piangonana (Hasly Hasminah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tany am-piangonana no niseho ny tantara
Nitory teny pastera tamin'izay
Teo amin'ny toerana alohan'ny alitara
nisy an'ilay zatovo iray
Marihina moa fa ity zatovo iray ity
dia tsy mba miangona matetika
Rehefa nanao ny toriteny i pastera
dia io ilay hatezerany fa nihetsika

Ozy pastera: ianao ilay tsy mivavaka ...
Ozy paster: ... raha tsy amin'ny andro fety ...
... ianao isanandro mandeha mamonjy bar
izay ilay fanao matetika.

Tezitra i leiry dia lasa aloha nivoaka
nihainohaino kely fa tsy nandeha nitsoaka
Niditra indray izy fa efa tonga saina
hay izy ity mpisotro toaka

Ozy pastera: ianao ilay tia miady ...
Ozy pastera: ... rehefa alahady
Raha izany no mitohy dia ho aiza no hiafarana?
Mankany amin'ny fandrik'i Satana

Tezitra i leiry dia nitsangana avy hatrany
nivoaka moramora ka nankany an-tokontany
Efa saika hody ilay zatovo voatsikera
avy eo indray nantsoin'i pastera

Ozy pastera: Miverena ianao ...
Ozy pastera: ... amin'izao fotoana izao
Aza mamerina ny ratsy izay fanao fa
horaisin'ny Tompo indray ianao

Tonony sy feony : A.R.T (Andrianilala Roja Tianaharijaona)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hasly Hasminah
Vangy : 1228
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Roja
Daty : 19/05/2016 09:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1677