Antso (Hasly Hasminah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa tonga ny alahady
Miantso anao ny lakolosy
Na ny ory na ny manana
Mihomana hande hivavaka
Dia misasa vao maraina
Sy manao akanjo tsara
Hanomezam-boninahitra
An'ny Tompo Andriamanitra

Rehefa ao ampiangonana
Dia mihomana ny olona
Fa hanatitra fanatitra
Ho an'ilay Andriamanitra
Ho an'ireo izay tsy manana
Aza atao mahasakana
Tsy ny vola no ambony
Fa ny fo no atolory

Andriamanitra miantso
"Manantona re"
Ianareo izay efa very
"Miverena re"
Izy anie ka tsy mifidy
Manantona ankehitriny
Na mpanota aza tiany
Ireny indrindra no antsoiny


ac:ART
--------
Rohy:
Hevitra
roja ( 09/04/2015 08:16)
lohateny:Antso
mpihira:Hasly Hasminah
tonony sy feony: Andrianilala Roja Tianaharijaona.
hery ( 11/04/2015 22:30)
Izay fa nampidiriko ny mpihira.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hasly Hasminah
Vangy : 1255
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : roja
Daty : 09/04/2015 09:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076