Fiderana (Hantatiana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Hantatiana
Mpamaky : 1568
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/08/2003 17:19:02
ID : 1883

Imprimer Facebook Facebook
Fiderana no asandratro ho anao Ray o
Tsy ho takatry ny saiko ny halehibeazanao
Nefa mahagaga fa na mbola kely aho
Dia mbola notiavinao

Indro atolotro anao ny fo
Raiso ho anao ka hanjakao tokoa
Ny fahazazako anie ry Ray malala o
No mbola tiako hiderana anao

Tiako indrindra raha izao no hirako izao
Tsy avy eo imolotro fa avy ao am-poko ao
Ny foko izay nodiovin’ilay ran’ny zanakao
Io no tiako hiderana anao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo