Aleoko ny ahy (Hantatiana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Hantatiana
Mpamaky : 2235
Nampidirin'i : Rajaona
Tamin'ny : 13/11/2003 09:52:39
ID : 2099

Imprimer Facebook Facebook
Fantatro fa maro tokoa
Reo hira tsara tsy afaka am-bavanao e! e! e!
Maro izy ireo no mahasoa
Ao ny manentana mba hilalao e! e! e!
    Nefa asa hoy aho, fa tiako ny ahy
    Ka tsy mba atakaloko ny an’ny hafa e! e! e!
    Ka na hira inona no hanana fahatsarana
    Dia aleoko ihany ny fiderana e!

Ref:    Ka ho hiraiko foana e! e! e!
          Ny hira fiderana a! a! a!
          Satria ilay Tsitoha mpanao ny tsara no deraiko
          Nahoana ny fiderana no tsy lalaiko.

Misy aza moa mandratra fo
Hira izay mandoaka ny fery anaty e! e! e!
Hiram-pitia, izay mahavoa
Nefa dia be mpitia sady be mpitady e! e! e!
    Nefa asa hoy aho, fa tiako ny ahy
    Ka tsy mba atakaloko ny an’ny hafa e! e! e!
    Ka na hira inona no hanana fahatsarana
    Dia aleoko ihany ny fiderana e!

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo