NY FIVAVAKO (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

Ny fivavako anio ry Jesô ô! mba hitondra aminao ireo adin-tsaiko.
Ka ny fakam-panahy izay mangoly ahy aza avelanao handavo ahy ry Jesô ô.

Ny fahotako hatrizay ifonako aminao ka omeo fo vaovao izay mba hatoky anao.
Ka eo an-tànanao no anolorako anio iTsiky dia ampyty fon-janakao mba ho vao sy hadio Jesosy ô!

Na dia efa maro tsy tambo isaina Jesosy ô ireo ota izay nataoko aoka ianao tsy hanary ahy.
Ka ireo androko sisa izay nomenao ahy no hafatotro aminao, ho  anao re ry Ray ho mandrakizay.


          Tonony sy feony: RAMANANTSOA Saulomon

Hevitra mandeha

Ridza95 (16/03/2018 13:34:05)

Andriamanitra mamela ny fahotanatsika raha matoky azy ka mino sy mibebaka isika!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Mpamaky : 164
Mpakafy : 7 Ankafizo
Nampidirin'i : Ridza95
Tamin'ny : 16/03/2018 13:40:58
ID : 10470

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo