Homba anao (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

Ho anao tojo izay fitsapana ka misento sy ketraka ny fo
Toa tsy hita izay lala-kombana, tsisy antenaina, te hamoy fo.
Nivavaka, niantso ny Ray, toa tsisy valiny hatramin'izao
Ka menatra mangaihay ary ory ny fanahy
Ianao lay nanompo hatrizay, lavon'ny fakam-panahy.

Matokia fa izy tsy handao, anilanao n'aiza n'aiza misy anao!
Ireo fitsapana mainka ataovy hampijoro, hanamafy ny finoana!
Ka na mafy izany ady atrehanao, aza kivy fTsiky dia ampya izy anie tsy hanary anao!
Ny miaraka amin'ny Tompo anie tsy mora koa mahereza hatrany!

Aza miverin-dàlana intsony, mandrosoa amin-kery, matokia!
Ianao ilay sitraky ny fony, tsy hafoiny velively sanatria!
Ireo sedra izay iaretanao, nataony hampiorina hatrany.
Mifalia amin'ny fanantenana fa Jesosy tsy handao
Mbola hisolo hafaliana ireo tomany sy ireo ranomasonao!

                        
                            Mpanoratra: RAKOTONIAINA Rija José

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Mpamaky : 255
Mpakafy : 7 Ankafizo
Nampidirin'i : Ridza95
Tamin'ny : 16/03/2018 11:11:23
ID : 10468

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo