Hoderaina lalandava (Faneva Jobily faha 55 Taona) (Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoderaina lalandava ianao Jehovah Ray
fa nahary ny mazava ho fanilo ho anay.
Ho deraina tsy ankiato ianao ry Tompo tia
fa nitantana sy niaro ny olonao doria doria.
55 taona no efa nitantananao,tratr’izao Jobily izao.

Miderà an’I Jehovah fa tsara izy
fa lehibe tokoa tsy manam_paharoa ny heriny sy ny voninahiny.

Ireo asa maro izay miandry ny mpanomponao,
indro ankinina indray ho eo ambany elatrao,
Ireo vita hatrizay sy ireo mbola miandry anay.
Na hitsiky na tomany mbola vonona izahay,
ka ny herinao ry Ray no efa nitokianay, mbola hiankinanay.



Tonony: Pasteur RASOLOFOMANANA Samoelina
Feony & fanintsiana: RAKOTONIAINA Rija José
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa
Vangy : 1590
Mpankafy : 7 Ankafizo
Nampiditra : Ridza95
Daty : 20/03/2018 10:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2152