Jesosy ô! Vonjeo (Hanitr'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zaho Jesosy mba maniry
Ny hanao ny sitrakao
Efa ela no nikiry
Tsy nahomby hatramizao

Raha anio mandre ny antsonao
Dia torotoro fo
Toa hiova olom-baovao
Tapakevitra hifoha

Nefa izany tsy maharitra
Tsy mba mety ho lasa lavitra
Rahampitso dia injay ny omaliko no miverina indray
‘Zaho Jesosy mba tantano ô! arovy sy tohano
Miangavy mitoreo, Jesosy ô! Vonjeo, ty zandrinao vonjeo

Toriteny maro no efa re
Be ny hanatra voaray
Fa ny hampihatra ireny anie
Dia toa sarotra tsy hay

Vao mandroso indray mandingana
Hoe hanaraka Anao
Dia indro fa voafingana
Potraka sy lavo aho

Tsy azo antoka ny ho aviko
Tsisy antenaina ny amiko
Raha tsy tantanao dia hinoako fa tsy ho tafita aho
Aza avela andeha irery ! o ampio fa kely hery
Miangavy mitoreo, Jesosy ô! Vonjeo, ty zandrinao vonjeo
Jesosy ô! Vonjeo, ty zandrinao vonjeo (2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hanitr'i Kristy
Vangy : 2285
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zoumiel
Daty : 28/05/2018 13:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741