HEREZO RE NY DIA (HANITRA NENTIN-DRAZANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela no niantso ny tomponao
Efa ela no nirahiny hiasa ianao
Adidy marobe no miandry anao
Herezo re ny dia faingana re

Ref:O! raiso
Raiso ny ampinganao
Aza mihemotra
Fa ady sarotra no mbola aleha
Mitari-dalana anao
Jesosy Tomponao
Aza matahotra faingana re
O!ô!ô! Olona marobe no miandry anao
Herezo re ny dia faingana re!

Zava-tsarotra tokoa no miandry anao
Hanavatsava ala be sy tsilo ianao
Fahavalo marobe no ho resena re!
Herezo re ny dia faingana re.

RAKAZY
Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA
FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HANITRA NENTIN-DRAZANA
Vangy : 2263
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 17/08/2002 08:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0034