MANDRAHONA (Hajaina 'Jex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandrahona ny maizina
Ka atahorako
Manarona ny elatrao
Jesosy tsara ô! (*3)
Manarona ny elatrao
Jesosy tsara ô!
Koa hahita an’iza raha maizina
Raha sendra misy manjo
Fa ny anjely manidina
Hiambina ahy tokoa (*3)
Fa ny anjely manidina
Hiambina ahy tokoa
Andriamanitra Rainay ô!
Mba raisonao izahay
Ho zanakao, ho trotroinao
Am-patorianay (*3)
Ho zanakao, ho trotroinao
Am-patorianay
Koa raha aposakao indray
Ilay masoandronao
Fohazy tsara izahay
Isaoranay Anao (*3)
Fohazy tsara izahay
Isaoranay Anao
Mandahona ny maizina
Fa eo Ianao ry Ray
Fa eo Ianao Jeso
Mandahona ny maizina
Fa eo Ianao ry Ray
Hiaro ahy
Fa eo Ianao Jeso
Hiahy ahy

HAJAINA ‘JEX
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hajaina 'Jex
Vangy : 1518
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ziona
Daty : 17/05/2014 10:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2176