Tiako tokoa (HAJA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa manirery aho raha tsy eo ianao
Toa manirery aho raha lavitra anao
Malahelo lava raha tsy hitako ianao
Manjombon-dava aho mahita ilay sarinao

ref: Tsy manadino anao aho
Na dia mifanalavitra aza ny
misy antsika sy ianao
Satria ianao nanome toky
Fa ho tia ahy tokoa
Tsy mety miala ao an-tsaiko foana
Ilay teninao oe:
Tiako ianao, tiako tokoa (2x)

Ny tenin’ireo Ntaolo taloha
Lavitry ny maso lavitry ny fo
Tsy vitako izany satria
Izaho sy ianao dia nifankatia ela tokoa

ref: Tsy manadino anao aho
.....................................

Tsy ho adinoiko ianao
n’aiza n’aiza alehanao
satria ianao nanome toky
fa ho avy indray
tsy mety miala ao an-tsaiko foana
ilay teninao oe:
tiako ianao, tiako tokoa (2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HAJA
Vangy : 4626
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : babylove
Daty : 12/04/2008 21:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118