Hira Tsotra (Groupe Mizara Fifaliana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Asandratro ho Anao
Izao fiderako izao
Hira nataoko hankalazana Anao


Tsotsotra ihany moa
Saingy tena avy ao am-po
Mba ho fisaorako Anao Tsitoha


Fa Hianao irery
No Tompon’ny hery
Mihazona ahy ka manafaka
Satria tena tia ahy


Ka na sarotra aza
Ty fiainako eto an-tany
Eo Hianao efa mitantana
Ka tsy hamela ahy
Fa Hianao Ilay Mpiahy
Ilay Mpiahy…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Mizara Fifaliana
Vangy : 1119
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : narindra.danhy
Daty : 08/09/2017 22:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766