Tiako ny Anaranao (Groupe Mass)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay mietry tena miantehitra Aminao
Ry Andriamanitra Mpanavotra ahy
No afaka, no afaka
Hisondrotra mankany Aminao
Fa satria i Jesoa Zanakao
Rehefa nidina tatý aminay
Mba hitondra anay, mba hitondra anay
Hitondra anay ho any Aminao

F’efa fantatrao f' ity zanakao
Dia resin-drendrarendra etý
Tsy tafarina fa miraikitra
Amin'ny tany fandalovana etý
Ka izany no mampiantso ahy hoe
Ampio aho satria

Tiako ny Anaranao,
Ny Anaranao be Voninahitra
Izay nentinao mba hanamasina anay
Tiako ny Anaranao
Ombam-pitiavana tsy mitsahatra
Derain'ny olona etý an-tany
Sy ny any an-danitra

Fikasana izay apetrako Aminao
Kristy Mpanavotra ahy
Dia ny ho mba Ianao, dia ny mba ho Ianao
No endriky ny fiainako
Faniriana izay tsy miala ato an-tsaiko
Zoky tia Mpanavotra ahy
Dia ny hiaraka, tsy hisaraka
Hiara-dia Aminao

Efa hitanao f'ity zandrinao
Dia voasembatsembana etý
Noho ny hamaroan'ireo làlana
Tsy maintsy isafidianany
Ka izany no mampiantso ahy hoe
Ampio aho satria

Tiako ny Anaranao,
Ny Anaranao be Voninahitra
Izay nentinao mba hanamasina anay
Tiako ny Anaranao
Ombam-pitiavana tsy mitsahatra
Derain'ny olona etý an-tany
Sy ny any an-danitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Mass
Vangy : 810
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/02/2019 12:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8967