Iza moa i Kristy (Groupe Mass)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza moa i Kristy ho ahy sy ianao
Moa va tsy ilay Andriamanitra tonga nofo
Ilay nahafoy ny ainy fa nitia anao
Nijaly sy maty fa velona mandrakizay
Izy ilay Andriamanitra nisy hatramizay ka hatrizao
Tsy manam-pahapaterana, Tompo tsy hay toherina
Nefa noho ny fitiavany ihany dia tsy azonao takarina
Dia indro naka nofo Izy, Zanaka, Tompo ilay Nahary anao

Iza moa i Kristy ho ahy sy ianao
Moa va tsy ilay Andriamanitra tonga nofo
Ilay nahafoy ny ainy fa nitia anao
Nijaly sy maty fa velona mandrakizay
Fa nony tonga teto an-tany Izy Tompo dia tsy mba niavakavaka
Fa niara-nisalahy tamin’ny mpiara-monina aminy
Fa nony tonga kosa ilay fotoana tsy maintsy hisehoany
Dia nanambara Izy fa ny marina ihany no manafaka

Iza moa i Kristy ho ahy sy ianao
Moa va tsy ilay Andriamanitra tonga nofo
Ilay nahafoy ny ainy fa nitia anao
Nijaly sy maty fa velona mandrakizay
Mahagaga fa ny lakroa no nofidiny mba ho voninahiny
Ny fanetren-tena fa tsy vola aman-karena
Nanandratra ireo ambany no hany mba tanjona tratrariny
Sitrapon’ny Ray fa tsy ny Azy izay tonga olombelona

Iza moa i Kristy ho ahy sy ianao
Moa va tsy ilay Andriamanitra tonga nofo
Ilay nahafoy ny ainy fa nitia anao
Nijaly sy maty fa velona mandrakizay
Fa ny làlam-pahafatesana ho Azy dia toy ny fandalovana
Toerana fidiovana, toerana ijoroana
Ka indro nony feno ny hateloana izay efa nolazainy
Dia nitsangana Izy ka velona, resiny ny aizina

Iza moa i Kristy ho ahy sy ianao
Moa va tsy ilay Andriamanitra tonga nofo
Ilay nahafoy ny ainy fa nitia anao
Nijaly sy maty fa velona mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe Mass
Vangy : 1113
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/02/2019 12:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5782