VICTOIRE RASOAMANARIVO (Groupe MANRESE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv : Victoire Rasoamanarivo, (bis)
Vehivavy masina,
Lahika nandray andraikitra,
Niankinan’ny Fiangonana,
Niankinan’ny ankohonany.

1- Mahatalanjona e !
Ny fitiavanao ny mahantra,
Nandanianao mondrokely,
Nandanianao fananana,
Izy ireo no mandray anao any an-danitra.

2- Mahatalanjona e !
Ny fitiavanao ny tokan-trano,
Tsy nahakivy anao ny sedra,
Tsy naharesy anao ireny,
Nijoro ianao nampanjaka ny fitiavana.
Fiv…


3- Mahatalanjona e !
Ny fitiavanao ny fiangonana,
Nandanianao ny fiainanao,
Nandanianao ny herinao,
Mijoro izahay ankehitriny noho ny ezakao.

4- Fa mendri-dera alain-tahaka,
Ny fanajanao lalina, feno fitiavana,
Ny Eokaristia sy i Maria,
Mba omeo anay koa izany fo mirehi-pitiavana.

Fiv…
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 13:34)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe MANRESE
Vangy : 1943
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gm10
Daty : 06/01/2015 14:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3226