MOMPERA JEAN BEYZYM (Groupe MANRESE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Lehilahy tia mangoraka
Nanandratra ny maha olona,
Nitsinjo sy nanome hasina,
Ireo madinika eto an-tany,
Mahantra aok’izany,
Nanokanany ny fiainany tontolo.
Tsy nitandro hasasarana izy,
Nanolotra ny tenany ho an’ny hafa.

Fiv : Mompera Jean Beyzym,
Apostolin’ny marary hoditra,
Mompera Jean Beyzym,
Teo am-perin’asa no maty am-pitiavana,
Mompera Jean Beyzym,
‘Lay nanam-pitiavana lehibe,
‘Reo madinika nijaly farahidiny.

2- Lahilahy nanetry tena,
Nanompo ny mpanompo,
Nataony tamy fo tokoa,
Tsy nikely sorok’izy
Ho Evanjely velona,
Ho tahafin’ireo mpiara-belona.
Fa nikatsaka an’Izy Ray
Toa an’i Maria ilay nitokiany.

3- Lehilahy nahay nandamina,
Nikolo sy nitandro,
Ny soa ho an’ny fiaraha-monina.
Nikajy ny tontolo,
Nandala koa ny kanto,
Zava-boahary mirindra sy milanto.
Fankasitrahana amin’ny asany,
Zava-tsoa lehibe navelany ho antsika.
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 13:34)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe MANRESE
Vangy : 1717
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gm10
Daty : 06/01/2015 14:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748