MBA RAISO RY TOMPO (Groupe MANRESE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MBA RAISO RY TOMPO

Tsy misy raha hafa atolotra Anao,
Fa ny arin-tananao ihany
Mba raiso ry Tompo ô, ny tolotray,
Na dia tsy sahaza Anao aza.

1-Ny asanay, fisasaranay,
No indro entina Aminao.
Ny fiainanay, fiezahanay,
Raiso re raha sitrakao.

2- Ny ahiahy, tebitebinay,
No indro entina Aminao.
Ny hafaliana sy hakiviana,
Raiso re raha sitrakao.

3- Ny herinay sy halemenay,
No indro entina Aminao,
Koa ambino hatrany izahay,
Ombao ny fahasoavanao.
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 13:34)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe MANRESE
Vangy : 1765
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : gm10
Daty : 02/01/2015 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754