You are here: home > Tononkira > Groupe MANRESE

Babonao (Groupe MANRESE)

Babonao, Babonao
Ny tenako Ry Tompo
Babonao ny fiainako
Dia indro ary atokako ho Anao

Babonao, Babonao
Ny tenako Ry Tompo
Babonao ny fiainako tontolo
Dia indro ary atokako ho Anao

Betsaka ireo antso
Izay niantefa tato am-poko
Nefa ny feonao
Tompo รด, no mamiko indrindra

Indro aho manolo-tena ho Anao
Mamaly ny Antsonao
Indro aho tononkira.serasera.orgmanolo-tena ho Anao
Mandritran' ny andro iainako

Babonao, Babonao
Ny foko Ry Tompo
Babonao ny hatanorako
Dia indro ary atolotro Anao

Babonao, Babonao
Ny foko Ry Tompo
Babonao ny hatanorako tontolo
Dia indro ary atolotro Anao

Indro aho manolo-tena ho Anao
Mamaly ny Antsonao                      (2)
Indro aho manolo-tena ho Anao
Mandritran' ny andro iainako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Groupe MANRESE
Mpamaky : 1812
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Kzyan77
Tamin'ny : 31/07/2009 05:42:14
ID : 5644

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo