SEDRA (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

Mety handalo lalan-tsarotra ny fiainanao
Ny eso sy ny latsa mitambesatra aminao
Sempotry ny adin-tsaina, ka misento miraina
Angamba hihevi-tena ho fara-fahoriana ianao

N'inona n'inona olana mianjady aminao
Ny ahy ny fantatro Jesosy anie tsy mba mandao
Na ho reraka ny saiko, na dia hiala hatramin'ny aiko
Hitraka hatrany ny fanahiko

Raha te hTsiky dia ampyahita vahaolana izao
Raiso aloha Jesosy hanapaka ny fiainanao
Hahita Fiadanampo, ho tena sambatra tokoa
Hankalaza Azy hatrany ny fanahinao

Ankino amin'i Jehovah izay kasainao
Matokia Azy fa ataony tanteraka
Na ho reraka ny saiko, na dia hiala hatramin'ny aiko
Hitraka hatrany ny fanahiko

Na ho reraka ny saiko, na dia hiala hatramin'ny aiko
Hitraka hatrany ny fanahiko

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Mpamaky : 95
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahrina
Tamin'ny : 05/07/2018 10:11:31
ID : 10710

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo