AZA MAIKA (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

Raha sendra namana miady mafy amin'ny fiainana ianao
Raiso am-pitiavana, hoento am-bavaka, dia 'zao tanteraho :
Manaova izay mahamendrika ho afaka ny hanarina
Ny meloka eo aminy
Meteza ho fianarana matoky sy marina
Aoka ho hita aminao I Kristy

Miainga amiko, miainga aminao ny Fiovàna
Aza maika ny hiteniteny olona amin'ny fahazarany
Ho ahy sy ianao ny adidy, dia ny hilaza 'reo didy
Hitandremany amin'ny andro sisa
Dia matokia, Jesosy hampitsimoka 'zay rehetra nafafy

Mba diniho kely aloha, ndrao ianao no tokony hibebaka
Dia hifikiro koa 'Lay Tompo Jeso mba tsy ho reraka
Katsaho hatrany 'Tsiky dia ampyLay Tena Fiainana maharitra
Torio ny Fitiavany
Ho sambatra izaho sy ianao ka hiaina finaritra
Ambany fahasoavany

Miainga amiko, miainga aminao ny Fiovàna
Aza maika ny hiteniteny olona amin'ny fahazarany
Ho ahy sy ianao ny adidy, dia ny hilaza 'reo didy
Hitandremany amin'ny andro sisa
Dia matokia, Jesosy hampitsimoka 'zay rehetra nafafy

Miainga amiko, miainga aminao ny Fiovàna
Aza maika ny hiteniteny olona amin'ny fahazarany
Ho ahy sy ianao ny adidy, dia ny hilaza 'reo didy
Hitandremany amin'ny andro sisa
Dia matokia, Jesosy hampitsimoka 'zay rehetra nafafy

Dia matokia, Jesosy hampitsimoka 'zay rehetra nafafy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Mpamaky : 111
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahrina
Tamin'ny : 05/07/2018 10:12:18
ID : 10707

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo