ATAFIO ANAY (Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA)

Fanahy Masina, avia midina
Ianao no irina, honina aty aminay
Atafio anay ka velomy indray
Ny Afo Mampiray, hanilo ny fiainanay

Hirotsaka ho anao anio, 'Lay Ando Vaovao
Hanilo sy hamakivaky ny ao anatinao
Dia ho fantatrao koa, fa misy Hery miahy anao
Ho tsapanao tokoa, fa kasika tokana
Dia ampy hanova ny fiainanao

Ny Fanahy omeny anao, dia Fanahy Vaotononkira.serasera.orgvao
Hitarika ny lalam-piainana hodiavinao
Ny toro-lalana lazainy dia hahatretrika anao
Dia mivonona ianao fa hosantaritsika izao
'Lay Fifaliana maharitra

Fanahy Masina, avia midina
Ianao no irina, honina aty aminay
Atafio anay ka velomy indray
Ny Afo Mampiray, hanilo ny fiainanay

Fifaliana voasantatra sy vaovao
No irina hirotsaka ao am-ponao
Ka ny Fanahy hameno sy hanafy anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Groupe Evangélique NY MPAMPITRAKA
Mpamaky : 63
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tahrina
Tamin'ny : 05/07/2018 10:11:51
ID : 10709

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo