Tsapiky (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Ndeha ho aiza ry lahy e
'Ndeha hianatsimo zahay e
'Ndeha ho aiza re roy e
'Ndeha hianatsimo zahay e

Inona no malaza any
No mahataitra anareo e
Inona no maresaka any
No mahadoro anareo e

Shalala, shalala

Fiv: Andao handihy tsapiky e
Faingana ianao e
Fa manja ny tsapiky e
Malakilakia
Andao handihy tsapiky e
Faingana ianao e
Fa tsara ny tsapiky

Hiaraka anao aho e
Andao raha tsy haditra e
Andraso zareo e
Faingana izaro izy o

Halalao re ny kianja
F'hisaoma antsika niany e
Hatao mafanafana
Ny tsinjaka androany e

Shalala, shalala

Fiv: Andao handihy tsapiky e
Faingana ianao e
Fa manja ny tsapiky e
Malakilakia
Andao handihy tsapiky e
Faingana ianao e
Fa tsara ny tsapiky
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1196
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 30/08/2016 10:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757