Maty aho ry 'nao (Groupe AINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oaya maty aho ry nao o
Oaya maty aho endre e
Loza ny anao re ry fanadinoako o
Loza ny ana fa tsa notsaroako e
Asa ry liaka izay tato an-tsaiko e
Fa varimbariana aho aki ry lalaiko
Tsy fanahy iniako mba marina mafy e
Tsy hoe sanatria, sanatria te higafy
Aza dia dikisana loatra ry tiako o
Izay tianao rehetra lazao fa vidiako e

Oaya maty aho ry nao o
Oaya maty aho endre e
Etsy hividianako ranom-boasary e
Avy eo androky dia alaiko sary
Etsy hiviadanako ilay sery tety e
Hidolantsika eny ambony sarety
Etsy hividianako kapa taretra a
Ny fitiavako an-droky eny tsa misy fetra
Oaya maty aho ry nao o
Oaya maty aho endre e
Oaya maty aho ry nao o
Oaya maty aho endre e

Aza dia vignitra loatra akia ianao ry malala e
Ny fitiavako androky any tsa manantsahala
Marina amindroky
Oh ry kala, oh ry kala
Tandremo toetra ratsinao io e
Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy
Kristianina anie ianao ndroky e

Fa miadaladala, miadaladala
Miadaladala aho akia ry malala
Varimbariana, varimbariana
Varimbariana aho akia ry malala
Eo, Mitsikia amin'izay moa, asehoy ny ify, eo moa
Maty aho ry nao e,maty aho ry nao a x2

Maty aho ry nao e, maty aho ry nao a
Fa miadaladala e
Mifona aho malala
Fa varimbariana
Mifona aho ry tiana e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe AINA
Vangy : 1393
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nosiklarita
Daty : 27/06/2016 10:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3194